Joshua 6:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno ka renareo ny feon’ny anjomara dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin’izay ny mandan’ny tanàna ary hiakatra sady samy hizotra amin’izay hitsiny avy ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa mitsoka ny trômpetra mafy faneno izy ka renareo ny feon’ny trômpetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan’ny tanàna, ary samy hiakatra amin’ny hitsiny avy ny vahoaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa re manao feo lavareny ny trompetra, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin’izay ny mandan’ny tanàna; ary hiakatra hamely samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno ka renareo ny feon’ny anjomara dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin’izay ny mandan’ny tanàna ary hiakatra sady samy hizotra amin’izay hitsiny avy ny olona.
malagasy