Joshua 6:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa avy niteny tamin’ny vahoaka i Josoa dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’NY TOMPO ka nitsoka ny anjomara; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO no nanaraka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe, dia nandeha ireo mpisorona fito, nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’i Iaveh sy nitsoka trômpetra, ary ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nandroso teo aoriany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia araka izay baiko nomen’i Josoa no fizotran-javatra. Ny mpisorona fito mitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa avy niteny tamin’ny vahoaka i Josoa dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’NY TOMPO ka nitsoka ny anjomara; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO no nanaraka azy.
malagasy