Joshua 6:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan’ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodilalana no nanaraka ny vata misy ny Fanekena; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan’ny mpisorona nitsoka trômpetra, ary ny vody lalana kosa nanarakaraka ny fiara; teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andian-tafika mpamaky lay no nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana, dia notsofina hatrany ny trompetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan’ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodilalana no nanaraka ny vata misy ny Fanekena; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
malagasy
Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.