Joshua 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandika ny didy ny amin’ny zavatra voaozona ny Zanak’Israely satria i Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny fokon’i Joda, dia naka tamin’ny zavatra efa voaozona; dia nirehitra tamin’ny Zanak’Israely ny fahatezeran’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak’i Israely; fa naka tamin’ny zavatra natao anatema i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare tamin’ny fokon’i Jodà, ka nirehitra tamin’ny zanak’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao fahadisoana bevava ny Israelita tamin’ny fandikana didy momba ireo zavatra voatokana hafoy ho an’ny TOMPO; fa naka zavatra sasany tamin’ireo i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdià ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, koa tezitra tamin’ny Israelita ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandika ny didy ny amin’ny zavatra voaozona ny Zanak’Israely satria i Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny fokon’i Joda, dia naka tamin’ny zavatra efa voaozona; dia nirehitra tamin’ny Zanak’Israely ny fahatezeran’NY TOMPO.
malagasy
[Ny fahotan'i Akana sy ny namonoana azy] Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.