Joshua 7:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nanota ny Israely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy satria efa naka tamin’ny zavatra voaozona izy sady koa nangalatra sy namitaka ka nataony ao amin’ny entany ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nanota i Israely, fa ny fanekeko nasaiko notandremany, nivadihany, ka nangalany ny zavatra natao anatema, norobainy izany, sady namitahany fa nafeniny tany anaty entany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanota ny Israelita ka nivadika tamin’ny fanekempihavanana nodidiako hotandremany; fa ny zavatra nasaiko nolevonina dia nakany sy nangalany ary nanafenany ka nataony tanaty entany.
Malagasy Bible 1865
Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nanota ny Israely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy satria efa naka tamin’ny zavatra voaozona izy sady koa nangalatra sy namitaka ka nataony ao amin’ny entany ireny.
malagasy
Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany.