Joshua 7:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalony ny Zanak’Israely; mandositra eo anoloan’ny fahavalony izy satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra voaozona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka tsy natahotra ny fahavalony ny zanak’i Israely fa niamboho teo anoloan’ny fahavalony izy, satria tonga anatema. Tsy homba anareo intsony Aho amin’ny sisa, raha tsy esorinareo hiala aminareo ny anatema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no tsy hahazoan’ny Israelita hanohitra ny fahavalony; fa handositra eo anoloan’ireo ny Israelita, satria efa voaozona ho ringana. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy fongotra teo aminareo izay nasaiko nolevonina.
Malagasy Bible 1865
Koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalony ny Zanak’Israely; mandositra eo anoloan’ny fahavalony izy satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra voaozona.
malagasy