Joshua 7:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitsangàna, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Misy zavatra voaozona eo aminao, ry Israely ô; koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mitsangàna ianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao ianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandehana omany ny vahoaka mba hihaona amiko rahampitso ka ilazao izy mba samy hanadio ny tenany; fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no milaza amin’ny Israelita hoe: «Mbola manana zavatra nasaiko nolevonina ianareo; noho izany, tsy afaka hanohitra ny fahavalonareo ianareo raha tsy foana teo aminareo ireny zavatra ireny.
Malagasy Bible 1865
Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitsangàna, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Misy zavatra voaozona eo aminao, ry Israely ô; koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
malagasy