Joshua 7:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izay azo mitana ny zavatra voaozona dia hodorana amin’ny afo izy mbamin’izay rehetra mety ho azy satria nivadika ny faneken’NY TOMPO ka nanao fahadalana be teo amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary izay voatana ho azon’ny anatema dia hodorana amin’ny afo, izy mbamin’izay rehetra mety ho azy; satria mivadika ny faneken’i Iaveh sy manao izay fady indrindra amin’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hotondroiko ilay lehilahy mitana zavatra tokony holevonina, ka hodorana amin’ny afo izy mbamin’izay rehetra azy satria nivadika tamin’ny fanekempihavanako izy ka nanao izay tsy fanao teo amin’i Israely.»
Malagasy Bible 1865
Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izay azo mitana ny zavatra voaozona dia hodorana amin’ny afo izy mbamin’izay rehetra mety ho azy satria nivadika ny faneken’NY TOMPO ka nanao fahadalana be teo amin’ny Israely.
malagasy
Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely.[Heb. fahadalana]