Joshua 7:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Josoa tamin’i Akana: Anaka, miangavy anao aho, omeo voninahitra NY TOMPO Andriamanitry ny Israely ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Josoa taminy: –Anaka, omeo voninahitra sy haja ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; lazao amiko izay nataonao fa aza misy afenina ahy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Josoa tamin'i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Josoa tamin’i Akana: Anaka, miangavy anao aho, omeo voninahitra NY TOMPO Andriamanitry ny Israely ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
malagasy
Dia hoy Josoa tamin'i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.[Na: miderà azy]