Joshua 7:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka hiala tany Jeriko hankany Ay izay eo anilan’i Bety-Avena, atsinanan’i Betela i Josoa, ka niteny taminy hoe: Miakara ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo tany an’i Ay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka olona i Jôsoe niala tao Jerikô ho any Haia, ka nanao tamin’ireo hoe: «Miakara hisafo ny tany.» Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an’i Haia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo
Malagasy Bible 1865
Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka hiala tany Jeriko hankany Ay izay eo anilan’i Bety-Avena, atsinanan’i Betela i Josoa, ka niteny taminy hoe: Miakara ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo tany an’i Ay.
malagasy
Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.