Joshua 7:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahita akanjobe ivelany matevina tsara avy any Sineara sy sekela volafotsy roanjato ary vongam-bolamena lavalava, milanja sekela dimampolo, tamin’ny babo aho, dia nitsiriritra ireny ka naka izany; ary indreo, voafina ao ambanin’ny tany ao amin’ny tranolaiko ireny ary ny volafotsy dia ao ambaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitako tamin’ny babo, ny kapaoty tsara anankiray avy any Senaara, volafotsy lanjan-droan-jato sikla, ary anja-bolamena lanjan-dimampolo sikla, nitsiriritra ireo aho ka naka azy; voaafina any ambanin’ny tany ao an-daiko izany, ka ny vola no ao ambany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny zavatra babo dia nahitako kapaoty tsara tarehy iray avy any Babilôna sy volafotsy roa kilao ary anja-bolamena antsasa-kilao. Notsiriritiko fatratra ireo ka nalaiko. Ho hitanareo milevina anaty tany ao an-daiko ireny ka ny volafotsy no any ambany indrindra.
Malagasy Bible 1865
Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahita akanjobe ivelany matevina tsara avy any Sineara sy sekela volafotsy roanjato ary vongam-bolamena lavalava, milanja sekela dimampolo, tamin’ny babo aho, dia nitsiriritra ireny ka naka izany; ary indreo, voafina ao ambanin’ny tany ao amin’ny tranolaiko ireny ary ny volafotsy dia ao ambaniny.
malagasy