Joshua 7:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalain’i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana, zanak’i Zera, ary ny volafotsy, ny akanjobe ivelany matevina, ny vongam-bolamena, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ombiny, ny borikiny, ny ondry aman’osiny ary ny tranolainy mbamin’izay rehetra mety ho azy; dia noentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy dia naka an’i Akàna zanak’i Zare, mbamin’ny volafotsy, ny kapaoty, ny anjam-bolamena, ny zanaka lahy aman-janaka vavin’i Akàna, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondriny, ny lainy, mbamin’ny ananany rehetra, ka nentiny niakatra tany an-dohasaha Akora.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia noraofin’i Josoa sy ny Israelita rehetra i Hakàna zafiafin’i Zera, noraofiny niaraka tamin’ny volafotsy sy ny akanjobeny ary ny anja-bolamena. Nalain’ireo koa ny zanakalahin’i Hakàna sy ny zanakavaviny, mbamin’ny ombiny sy ny borikiny, ondry aman’osiny, ary ny lainy mbamin’izay rehetra azy ka nentiny ho any amin’ny lohasaha Hakôra.
Malagasy Bible 1865
Dia nalain'i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalain’i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana, zanak’i Zera, ary ny volafotsy, ny akanjobe ivelany matevina, ny vongam-bolamena, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ombiny, ny borikiny, ny ondry aman’osiny ary ny tranolainy mbamin’izay rehetra mety ho azy; dia noentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
malagasy