Joshua 7:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Josoa: Andray! Inona ity loza nampidirinao taminay? Mba hahatonga loza aminao kosa NY TOMPO anio. Dia nitora-bato azy ny Israely rehetra ary nandoro ireny tamin’ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jôsoe: «Nahoana no dia nampikorontana anay ianao? Mba hokorontanin’i Iaveh koa ianao.» Dia nitora-bato azy i Israely rehetra. Nodorana tamin’ny afo izy ireo ary notoraham-bato,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Josoa tamin’i Hakàna: –Nampidi-doza anay loatra ianao! Koa hahatonga loza aminao kosa ny Tompo anio! Dia novonoin’ny Israelita rehetra tamin’ny tora-bato i Hakàna. (Novonoiny toy izany koa ny ankohonany, ary indray nodorany tamin’ny afo ny fananany rehetra).
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Josoa: Andray! Inona ity loza nampidirinao taminay? Mba hahatonga loza aminao kosa NY TOMPO anio. Dia nitora-bato azy ny Israely rehetra ary nandoro ireny tamin’ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
malagasy
Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.[Akora = fampidiran-doza]