Joshua 7:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanangana antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary NY TOMPO dia nionona tamin’ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany mandraka androany hoe: Lohasaha Akora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin’i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nananganany antontam-bato lehibe teo ambonin’i Hakàna, ary mbola eo mandraka androany ilay antontam-bato. Izany no niantsoana io toerana io hoe lohasaha Hakôra mandraka ankehitriny. Taorian’izany vao nitony ny hatezeran’ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanangana antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary NY TOMPO dia nionona tamin’ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany mandraka androany hoe: Lohasaha Akora.
malagasy
Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.[Akora = fampidiran-doza]