Joshua 7:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niverina tany amin’i Josoa izy ireo ka niteny taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany fa vitsy ihany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafaverina tao amin’i Jôsoe izy ireo, dia nilaza taminy hoe: «Aoka tsy ny vahoaka rehetra no hiakatra; olona roa na telo arivo ihany no hiakatra dia ho resiny i Haia, ka aza manasatra ny vahoaka rehetra any amin’izany tanàna izany, fa vitsy izy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary niverina tany amin’i Josoa ka nanao taminy hoe: –Aoka tsy hiakatra avokoa ny tafika manontolo; fa roa arivo na telo arivo lahy ihany no aoka hiakatra hamely an’i Hay. Aza manasatra ny tafika manontolo any fa vitsy ihany ry zareo.
Malagasy Bible 1865
Ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niverina tany amin’i Josoa izy ireo ka niteny taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany fa vitsy ihany izy.
malagasy