Joshua 7:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana. Dia ketraka ny fon’ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy tamin’izy ireo ny olona tao Haia, sady nanenjika azy hatrany am-bavahady ka hatrany Sabarima, sy namely azy teny am-pidinana. Ka nivarahontsana terỳ ny fon’ny vahoaka, ary nanary toky izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa nahafatesany olona 36 ny Israelita sady nenjehiny nanomboka hatreo ambavahadin’ny tanàna ka hatrany Sebarîma ary nasiany teny am-pidinana. Dia ketraka ny fon’ny vahoaka fa hoatra ny voatapo-drano.
Malagasy Bible 1865
Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana. Dia ketraka ny fon’ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
malagasy