Joshua 7:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia notriarin’i Josoa ny fitafiany ka niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO mandra-paharivan’ny andro izy sy ny loholon’ny Israely sady nasiany vovoka ny lohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia notriarin’i Jôsoe ny fitafiany ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh izy sy ny loholon’i Israely, mandra-paharivan’ny andro, sady nandraraka vovoka tamin’ny lohany izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandriatra fitafiana i Josoa sy ireo loholon ’i Israely ka nanosom-bovoka ny lohany sady niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro.
Malagasy Bible 1865
Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia notriarin’i Josoa ny fitafiany ka niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO mandra-paharivan’ny andro izy sy ny loholon’ny Israely sady nasiany vovoka ny lohany.
malagasy
Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.