Joshua 7:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho ren’ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ny tany intsony; dia hataonao ahoana kosa ny anaranao lehibe?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Handre izany ny Kananeanina sy ny mponina rehetra amin’ny tany, dia hanemitra anay sy hamono ny anaranay eto an-tany. Ka hataonao ahoana ity Anaranao lehibe?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho henon’ny Kanahanita sy ny mponina rehetra amin’ity tany ity izany, dia hikambana hamely anay ireo ka handringana anay; koa inona àry no hataonay mba hiekena ny lazanao lehibe?
Malagasy Bible 1865
Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho ren’ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ny tany intsony; dia hataonao ahoana kosa ny anaranao lehibe?
malagasy
Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?