Joshua 8:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika ka miaingà, iakaro i Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Ay mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra na manam-badi-po, fa ento miaraka aminao ny mpiantafika rehetra, dia mitsangàna ka miakara hamely an’i Haia. Jereo efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Haia, mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny tafikao manontolo ka miaingà hamely an’i Hay. Indro fa hatolotro ho eo an-tananao ny mpanjakan’i Hay sy ny vahoaka ary ny tanànany sy ny taniny.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika ka miaingà, iakaro i Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Ay mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
malagasy
[Ny nahafahan'ny Isiraely an'i Ay sy Betela] Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.