Joshua 8:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Ay izany dia nifoha vao maraina ny olona tao an-tanàna ka nandeha haingana hiady tamin’ny Israely, teo amin’ny toerana nifamotoanany tandrifin’i Arabà, ireo moa dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: Satria tsy fantany ho nisy vela-pandrika hamely azy tao ambadiky ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao nahita izany ny mpanjakan’i Haia dia nifoha maraina koa faingana ny lehilahy tao an-tanàna ka nivoaka hitsena an’i Israely. Nandroso niaraka tamin’ny vahoaka rehetra ny mpanjaka nankeo amin’ny toerana nifanekena tandrifin’ny lohasaha, fa tsy nahalala hoe misy otrika hamely azy ao ivohon’ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nahita izany ny mpanjakan’i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna; ary nivoaka faingana hifanehatra amin’ny Israelita izy mbamin’ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin’ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin’ny lohasahan’i Jôrdàna; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon’ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Ay izany dia nifoha vao maraina ny olona tao an-tanàna ka nandeha haingana hiady tamin’ny Israely, teo amin’ny toerana nifamotoanany tandrifin’i Arabà, ireo moa dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: Satria tsy fantany ho nisy vela-pandrika hamely azy tao ambadiky ny tanàna.
malagasy
Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna. [Na: fotoana]