Joshua 8:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’i Ay sy ny mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany. Asio vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa tahaka ny nanaovanao an’i Jerikô sy ny mpanjakany no hanaovanao an’i Haia sy ny mpanjakany koa; saingy ny babo avy aminy sy ny biby ompiny kosa no alao ho anareo. Asio otrika ao ivohon’ny tanàna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka izay nataonao tamin’i Jerikao sy ny mpanjakany no hataonao amin’i Hay sy ny mpanjakany, saingy azonareo baboina avokoa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ametraho miaramila mamitsaka hamely ny tanàna avy ao ivoho.
Malagasy Bible 1865
Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’i Ay sy ny mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany. Asio vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna.
malagasy