Joshua 8:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niherika ny mponina tao Ay ka hitany fa indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany na aiza na aiza intsony, na ho etỳ na ho erỳ. Ny Israely izay nanao tari-dositra ho any an-tany efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niherika kosa ny tompon-tanànan’i Haia ka nahita ny setroky ny tanàna nisavoana any an-danitra, ary izy ireo tsy afa-nandositra intsony, na ho aiza na ho aiza, fa ny vahoaka nandositra nankany an’efitra nifontina namely azy nanenjika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony nitodika ireo lehilahin’i Hay, dia nahita fa niakatra ho any an-danitra ny setroky ny tanànany. Tsy nisy toerana handosirany intsony na ho aiza na ho aiza, fa ny Israelita izay nandositra ho any an-taniefitra dia nifotitra hamely ny mpanenjika azy.
Malagasy Bible 1865
Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory, na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niherika ny mponina tao Ay ka hitany fa indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany na aiza na aiza intsony, na ho etỳ na ho erỳ. Ny Israely izay nanao tari-dositra ho any an-tany efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
malagasy