Joshua 8:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahantony tamin’ny hazo mandra-paharivan’ny andro ny mpanjakan’i Ay; ary rehefa tokony ho maty masoandro dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna sady notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasainy nahantona tamin’ny hazo anankiray ny mpanjakan’i Haia, ka navelany teo mandra-paharivan’ny andro. Nony maty ny masoandro dia nasain’i Jôsoe nesorina teo amin’ny hazo ny fatiny, ka natsipy tao am-bavahadin’ny tanàna, sy notsindriana antontam-bato lehibe izay mbola ao mandraka androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjakan’i Hay kosa nahantona tamin’ny hazo; ka teo ihany mandra-paharivan’ny andro. Nony nilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa naidina ny faty, ka natsipy teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna ary notsindrina antontan-bato miavoavo izay mbola ao mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahantony tamin’ny hazo mandra-paharivan’ny andro ny mpanjakan’i Ay; ary rehefa tokony ho maty masoandro dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna sady notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
malagasy