Joshua 8:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany dia nanorina alitara ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, teo an-tendrombohitra Ebala i Josoa,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay i Jôsoe dia nanangana ôtely ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tao an-tendrombohitra Hebala,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany, teo an-tendrombohitra Hebala, dia nanorenan’i Josoa alitara ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany dia nanorina alitara ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, teo an-tendrombohitra Ebala i Josoa,
malagasy
[Ny nanoratan'i Josoa ny dikan'ny lalàna tamin'ny vato, sy ny namakiana ny fitahiana sy ny fanozonana teo an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,