Joshua 8:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
araka izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, ny Zanak’Israely, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, ka alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by no natao; dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
araka ny didy nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny zanak’i Israely, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Môizy, dia ôtely vato tsy voavoatra, izay tsy voavely vy. Ary nanolotra sorona dorana teo amboniny ho an’i Iaveh izy ireo sy nanao sorom-pihavanana koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny didy nampitain’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tamin’ny Israelita, eny, araka izany didy voasoratra tao amin’ilay bokin’ny lalànan’i Mosesy izany, no nanaovany azy: dia alitara natao tamin’ny vato tsy namboarina, tsy voapaikam-by. Teo ambonin’ireo no nanolorana sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
araka izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, ny Zanak’Israely, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, ka alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by no natao; dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana koa.
malagasy