Joshua 8:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Israely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy, na olona hafa firenena na Israely, dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ny vata misy ny Fanekena, teo anatrehan’ny levita mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO: Ny antsasany dia nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany dia nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO fahiny, mba hitsodrano ny vahoakan’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana teo an-daniny roa amin’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, i Israely rehetra, ny loholony, ny manamboninahiny, ny mpitsarany, na ny vahiny na ny zanak’i Israely, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Garizima, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Hebaka, araka ny didy nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh fahiny, mba hitso-drano ny vahoakan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Israelita rehetra mbamin’ny loholony sy lehibeny ama-mpitsarany, ary koa ireo hafa firenena niara-nonina taminy, dia nitsangana teo andaniny sy ankilan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ka nanatrika ny levita mpisorona izay nitondra azy. Teo akaikin’ny tendrombohitra Gerizima ny antsasak’ireo olona ireo, ary teo akaikin’ny tendrombohitr’i Hebala kosa ny antsasany, araka izay didy efa nomen’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO mba hitsofan-drano ny vahoaka Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Israely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy, na olona hafa firenena na Israely, dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ny vata misy ny Fanekena*, teo anatrehan’ny levita* mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO: Ny antsasany dia nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany dia nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO fahiny, mba hitsodrano ny vahoakan’Israely.
malagasy