Joshua 8:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia namaky ny tenin’ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany novakin’i Jôsoe ny tenin’ny lalàna rehetra dia ny tso-drano sy ny fanozonana araka izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia novakîn’i Josoa avokoa ny teny raketin’ny bokin’ny lalàna mbamin’ny fitahiana sy ozona, araka izay rehetra voasoratra tao.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia namaky ny tenin’ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna.
malagasy
Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna.Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.