Joshua 8:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy teny tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy, izay tsy novakin’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israely manontolo, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay rehetra nandidian’i Môizy dia tsy nisy teny iray tsy novakin’i Jôsoe teo anatrehan’ny fiangonan’i Israely rehetra, ny vehivavy sy ny zaza ary ny vahiny nitoetra teo afovoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nisy teny na dia iray aza tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy ka tsy novakîn’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita tsivakivolo izay nahafaoka ny zaza amam-behivavy ary koa ny vahiny niara-nonina taminy.
Malagasy Bible 1865
Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy teny tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy, izay tsy novakin’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israely manontolo, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
malagasy