Joshua 8:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandidy azy izy hoe: Indro, hanao vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna hamely azy ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa aoka ho vonona ianareo rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka izao no baiko nomeny azy: «Mahìna ianareo, dia aoka hanotrika ao ivohon’ny tanàna ianareo, ka aza manalavitra ny tanàna loatra ary samia mivonona hatrany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nanome baiko azy hoe: –Mandehana mamitsaka ao ivohon’ny tanàna ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa samia vonombonona.
Malagasy Bible 1865
Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandidy azy izy hoe: Indro, hanao vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna hamely azy ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa aoka ho vonona ianareo rehetra.
malagasy
Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.