Joshua 9:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita izay tany andafin’i Jordana, dia i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, izay tany Astarota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny nanaovany ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna mpanjakan’i Hesebona sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tany Astarôta.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sy izay rehetra nataony tamin’ireo mpanjaka amorîta roa lahy tany ampitan’i Jôrdàna: dia i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna, sy i Hôga mpanjakan’i Basàna izay nonina tany Hastarôta.
Malagasy Bible 1865
ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita izay tany andafin’i Jordana, dia i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, izay tany Astarota.
malagasy
ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.