Joshua 9:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ny haleha, dia mandehana hitsena azy ka lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay taminay: Mitondrà vatsy ho any an-dalana, ka mandehana mitsena azy ireo, ary lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny aoka mba hanao fanekem-pihavanana aminay ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no nitenenan’ireo loholonay sy ireo olona rehetra mpiray tanindrazana aminay mba hanomana vatsy ho an’ny dia ka handeha hihaona aminareo; nasainy manolo-tena hanompo anareo izahay sy mangataka anareo hanao fanekempihavanana aminay.
Malagasy Bible 1865
Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ny haleha, dia mandehana hitsena azy ka lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
malagasy