Joshua 9:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin’ny andro nandehananay hankaty aminareo; nefa ankehitriny, indro efa maina sy potipotika izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jereo ny mofonay, vao nafana itony no nalainay tany an-tranonay hatao vatsy, tamin’ny andro niainganay ho atỳ aminareo, ary izao kosa dia indro fa efa maina sy potipotika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereonareo ange ny mofonay e! Mbola nafàna izy ireo raha nentinay hatao vatsy fony izahay niala tany an-tranonay hankaty aminareo, nefa ankehitriny efa maina sy bobongolo!
Malagasy Bible 1865
Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin’ny andro nandehananay hankaty aminareo; nefa ankehitriny, indro efa maina sy potipotika izany.
malagasy
Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy; [Na: torotoro]