Joshua 9:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vaovao koa ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; nefa indreo, efa triatra izy ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny lalana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola vao ireto siny hoditra fasiana divay ireto no nofenoinay azy, nefa he, rovitra izy ankehitriny, ary ny lamba aman-kapanay dia mihatonta, fa lavitra dia lavitra ny dia nalehanay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereonareo ireto siny hoditra e! Mbola vaovao izy ireo raha nofenoinay divay nefa ankehitriny efa triatra! Ireto lambanay sy kapanay koa dia efa tonta noho ny halaviran’ny lalana nalehanay.
Malagasy Bible 1865
ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vaovao koa ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; nefa indreo, efa triatra izy ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny lalana.
malagasy
ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.