Joshua 9:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy namely azy ny Zanak’Israely satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ireo loholona ny fiangonana rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny fianianana nataon’ny lohan’ny fiangonana taminy tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely dia tsy namely azy ireo izy, nefa nimonomonona tamin’ny filohany, ny fiangonana rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy namono azy ny Israelita satria ny anaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no efa nianianan’ireo loholom-piangonana taminy. Koa nimonomonona tamin’ireo loholona ny Israelita rehetra;
Malagasy Bible 1865
Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy namely azy ny Zanak’Israely satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ireo loholona ny fiangonana rehetra.
malagasy
Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.