Joshua 9:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa hoy ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra izy ireo, araka ny teny nataon’ny loholona taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ka aoka ho velona àry izy», hoy ireto filohany tamin’izy ireo. Dia natao mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra ireo, araka ny voalazan’ny filohany taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Havelantsika ho velona izy nefa kosa ho tonga mpaka kitay sy mpantsaka rano ho antsika. Izany no soso-kevitr’ireo loholom-piangonana israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa hoy ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra izy ireo, araka ny teny nataon’ny loholona taminy.
malagasy
Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.