Joshua 9:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso azy ireo i Josoa ka niteny taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nilaza hoe: Lavitra be anareo izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nampiantso ny Gabaônita i Jôsoe ka niteny taminy hoe: «Ahoana no namitahanareo anay hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, nefa ianareo monina atỳ afovoanay ihany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa novorîn’i Josoa ny Gibehônita ary nilazany hoe: –Ahoana no namitahanareo anay ka nanambaranareo fa avy lavitra be ianareo, kanjo mponina mifanakaiky aminay ihany?
Malagasy Bible 1865
Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso azy ireo i Josoa ka niteny taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nilaza hoe: Lavitra be anareo izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
malagasy
Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?