Joshua 9:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly an’i Josoa izy ireo hoe: Satria nambara taminay mpanomponao tokoa fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloanareo, koa natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, dia nanao izany zavatra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no navalin’izy ireo an’i Jôsoe: «Nambara tamin’ny mpanomponao ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitrao an’i Môizy mpanompony mba hanolotra anareo avokoa ny tany rehetra ary mba handringananareo eo anoloanareo ny mponina rehetra amin’ny tany. Nony mby akaiky ianareo, dia natahotra mafy ny ho faty izahay, ka izany no nanaovanay toy izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly an’i Josoa ny Gibehônita ka nanao hoe: –Notantaraina tsara taminay, tompoko, izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitrao an’i Mosesy mpanompony, dia ny hanomezana anareo ity tany manontolo ity ary handringananareo ny mponina rehetra ao aminy arakaraka ny androsoanareo. Natahotra mafy ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka izany no nanaovanay izany zavatra izany.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly an’i Josoa izy ireo hoe: Satria nambara taminay mpanomponao tokoa fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloanareo, koa natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, dia nanao izany zavatra izany.
malagasy