Joshua 9:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’izay andro izay ihany, dia naraikitr’i Jôsoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny ôtelin’i Iaveh any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, ary mbola nanao izany mandraka androany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany koa no nanolorany azy ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an’ny Israelita sy ho an’ny alitaran ’ny TOMPO eo amin’ny toerana izay hofidin’Izy TOMPO. Ary mbola manohy izany raharaha izany mandraka androany ry zareo.
Malagasy Bible 1865
Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny.
malagasy
Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.