Joshua 9:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nanao hafetsena kosa izy ary nandeha ho eny niseho ho iraka, nitondra kitapo tonta nasampiny teo amin’ny borikiny; misy koa siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nanao hafetsena. Niainga handeha izy ka nitondra vatsy ho eny an-dalana; lasàka tonta sy siny hoditra fasian-divay efa rovitra sy mizaitra no nataony teo ambonin’ny ampondrany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nanapa-kevitra hampiasa hafetsena. Nanainga nitondra vatsy izy rehetra ka kitapo tonta sy siny hoditra tonta sady misy triatra voatampintampina no nalainy ka natainginy tamin’ny borikiny;
Malagasy Bible 1865
dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nanao hafetsena kosa izy ary nandeha ho eny niseho ho iraka, nitondra kitapo tonta nasampiny teo amin’ny borikiny; misy koa siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
malagasy
dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, [Na: nitondra vatsy]