Joshua 9:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
kapa tonta sady nitampintampina no teo amin’ny tongony ary lamba tonta no notafiany; ary efa maina sy potipotika ny mofo rehetra izay vatsiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
kapa tranainy sy mitampitampina no teo amin’ny tongony, lamba tonta no teo an-kodiny, ny mofo hohaniny dia maina sy efa potipotika avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fitafiana tonta nozaijairina no nanaovany; ary mofo efa maina sady efa bobongolo avokoa no nentiny ho vatsy.
Malagasy Bible 1865
ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
kapa tonta sady nitampintampina no teo amin’ny tongony ary lamba tonta no notafiany; ary efa maina sy potipotika ny mofo rehetra izay vatsiny.
malagasy
ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro]