Jude 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ny biby tsy manan-tsaina, dia izany no andotoany ny tenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ry zareo ireo kosa, sady manevateva ny zavatra tsy fantany fotsiny izao toy ny biby tsy manan-tsaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo olona ireo kosa dia manevateva ny zavatra tsy fantany akory, sady manimba tena amin’ny zavatra fantany ara-pahazarana fotsiny tahaka ny ahalalan’ny biby tsy manan-tsaina.
Malagasy Bible 1865
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ny biby tsy manan-tsaina, dia izany no andotoany ny tenany.
malagasy
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany. [ Na: andotoany]