Jude 1:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireny olona ireny no mandoto ny fanasam-pifankatiavanareo raha mba miara-misakafo tsy amin-tahotra aminareo izy akory, dia mpiandry mamahan-tena, rahona tsy misy rano entin’ny rivotra, hazo fararano tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny sakafo iarahanareo mihinana, dia ireo no vato manafintohina, miletra tsy aman-kenatra, tsy mihevitra afa-tsy ny hamoky tena. Rahona tsy misy rano ireo, ka avoivoin’ny rivotra befahatany; hazo fararano, ka sady tsy am-boa no indroa maty sy voaongotra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo no mandrava ny firîndran’ny sakafom-pifankatiavana ataonareo, fa miara-mihinana aminareo tsy amin-tahotra sady mpiandry mamahan-tena. Toy ny rahona faohin-drivotra ireo ka tsy mahalatsaka orana; toy ny hazo fararano tsy misy voany sady voaongotra, ka indroa maty;
Malagasy Bible 1865
Ireo no harambato voasaron-drano eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireny olona ireny no mandoto ny fanasam-pifankatiavanareo raha mba miara-misakafo tsy amin-tahotra aminareo izy akory, dia mpiandry mamahan-tena, rahona tsy misy rano entin’ny rivotra, hazo fararano tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
malagasy
Ireo no harambato voasaron-drano eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [ Na: Ireo no pentimpentina]