Jude 1:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho an’Izay mahay miaro anareo mba tsy ho tafintohina, ary mahay mampijoro anareo, tsy misy tsiny, eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary aoka anie ho an’Ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny;
Malagasy Bible 1865
Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho an’Izay mahay miaro anareo mba tsy ho tafintohina, ary mahay mampijoro anareo, tsy misy tsiny, eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana,
malagasy
Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.