Jude 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonantsika dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hampirisika anareo mba hiadianareo mafy hiaro ny finoana izay voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry malala, noho ny faniriako mafy hanoratra aminareo ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia voatery hanoratra ity taratasy ity ho anareo aho, mba hamporisika anareo hikely aina hiaro ny finoana, izay natolotra ny olo-masina indray mandeha monja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin’ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonantsika dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hampirisika anareo mba hiadianareo mafy hiaro ny finoana izay voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina.
malagasy