Jude 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa misy olona sasany niditra an-tsokosoko, izay efa voasoratra hatry ny ela ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fanaranam-po amin’ny ratsy sady mandà ny Andriana tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko aminareo, dia olona voasoratra hatry ny ela fa hanamelo-tena amin’izany, olona ratsy fanahy, mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fahalotoana, sady mandà an’i Jesoa Kristy, Andrian-tokana sy Tompontsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.
Malagasy Bible 1865
Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa misy olona sasany niditra an-tsokosoko, izay efa voasoratra hatry ny ela ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fanaranam-po amin’ny ratsy sady mandà ny Andriana tokana, dia Jesosy Kristy* Tompontsika.
malagasy
Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika. [ Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika]