Jude 1:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany koa, i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana ny fiaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin’ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany koa, i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana ny fiaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.
malagasy