Jude 1:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa toy izany koa, ireo dia manaraka ny nofinofiny ka mandoto ny nofo ary mandà ny manana fahalehibiazana sady miteny ratsy ny manana voninahitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo olona ireo koa, milentika amin’ny redirediny, ka mandoto ny nofony toy izany, manamavo ny fahandrianana, ary manevateva ireo Voninahitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany koa ireo mpampianatra sandoka ireo: mirediredy ka mandoto ny nofony sady mandà ny maha Tompo an’i Kristy ary manevateva ireo atao hoe voninahitra.
Malagasy Bible 1865
Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa toy izany koa, ireo dia manaraka ny nofinofiny ka mandoto ny nofo ary mandà ny manana fahalehibiazana sady miteny ratsy ny manana voninahitra.
malagasy
Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3]