Judges 1:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany Hebrona, Kiriata-Arba no anarany taloha; dia namono an’i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandroso i Jodà namely ny Kananeanina nonina tany Hebrôna, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an’i Sesaia sy i Ahimàna ary Tolmaia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany Hebrona, Kiriata-Arba no anarany taloha; dia namono an’i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay izy.
malagasy
Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.