Judges 1:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy: Omeo marika tsodrano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen’i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navaliny azy: «Omeo tombom-pitia aho, fa tany tsy misy rano no nametrahanao ahy, ka mba omeo loharano aho.» Dia nomen’i Kaleba ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka izao no navaliny azy: –Mba anaovy fanomezana aho! Tany ngazana any atsimo no natolotrao ahy, ka mba omeo loharano aho. Dia nomen’i Kaleba azy ny loharano any ambony sy ny loharano atỳ ambany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy: Omeo marika tsodrano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen’i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
malagasy
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.