Judges 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny taranak’ilay Kenita, rafozan’i Mosesy, dia niara-niakatra tamin’ny taranak’i Joda niala tao amin’ny Tanàna be palma hankany an-tany efitr’i Joda, any atsimon’i Arada; nandeha ireo ka nonina teo amin’ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niara-niakatra tamin’ny taranak’i Jodà, avy any amin’ny tanànan-drofia, ny taranak’ilay Kineanina zaodahin’i Môizy, nankany amin’ny efitr’i Jodà, atsimon’i Arada: ka tonga niara-monina tamin’ny vahoaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin’i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanàna be rofia. Niainga niaraka tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin’ny taniefitr’i Joda tao atsimon’i Harada ary niara-nonina tamin’ny Hamalekita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin 'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny taranak’ilay Kenita, rafozan’i Mosesy, dia niara-niakatra tamin’ny taranak’i Joda niala tao amin’ny Tanàna be palma hankany an-tany efitr’i Joda, any atsimon’i Arada; nandeha ireo ka nonina teo amin’ny vahoaka.
malagasy
Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.[Na: rafozan'][palma]